Eklablog Tous les blogs Top blogs Musique & Divertissements Tous les blogs Musique & Divertissements
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
MENU

Écoutez l'âme de la musique noire et entrez dans la soul légende !

Publicité

Ny masonao

EN CONSTRUCTION

Na tsy misokatra aza ny vavanao miteny
Ny masonao milaza, ny foko no mandre
Raha vao mijery anao dia tsapako avy hatrany
Ny ao anatinao na tsiky na tomany

Raha tazako ianao izay mibanjina ahy
Ilay fijerinao baliaka,sahisahy
Dia azoko itokiana fa tsiky sy homehy
Ary teny fifaliana no mameno ny tarehy

Raha sendra ny ankaso
Fa ny eto an-tany moa
Raha toa manganohano ilay dobo manga roa
Akomboko ny molotro, fa maizina ny tany
ny sento no atolotro ho setriny tomany

Tadidio ilay ora vao nahitako
Ilay endrikao tanora, izay soa sy bakobako
Ny masonao mitopy malefaka fijery
Mitsiky, miangoty fitiavana mahery

Na tsy misokatra aza ny vavanao miteny
Ny masonao no milaza, ny foko no mandre
Raha vao mijery anao dia tsapako avy hatrany
Ny ao anatinao na tsiky na tomany

Ny masonao ihany, milaza ny tsy hita
Ny teny tsy hita lany, ireo hafatra miampita
Ireo no ahitako raha mbola misy ny fitia
Ary mbola hahalalako
Fa vita ny tety

Na tsy misokatra aza ny vavanao miteny
Ny masonao milaza, ny foko no mandre
Raha vao mijery anao dia tsapako avy hatrany
Ny ao anatinao na tsiky na tomany
Ny ao anatinao na tsiky na tomany

en construction

Publicité
Retour à l'accueil
Partager cet article
Repost0
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article