• EN COURS DE CONSTRUCTION

    SIOKA NY MANINA

    Lahy o!
    Siokan’ny manina
    Roy e!
    Siokan’ny manina

    Irery ami-toera-mangina
    Tsy misy izay mba iresahana
    Ny hiran’ny fo no tsindriany
    Sioka no feo iarahany

    Tsy fantany akory izay mety
    Mahatonga ny sioka tsy fidiny
    Fa tampoka teo, teo vetivety
    Dia lasa tsy tana tsy fidiny

    Lahy o!
    Siokan’ny manina
    Roy e!
    Siokan’ny manina

    Angamba izay mahatsikaritra
    Mihevitra azy ho adala
    Kanefa diniho maharitra
    Fa manina ny olo-malala

    Ny hira niaraha-nikalo
    No nahatonga azy hahatsiahy
    Ka taitra ny olo, ny olo-nandalo
    Nahita azy very fanahy

    Lahy o!
    Siokan’ny manina
    Roy e!
    Siokan’ny manina

    Ny fony ao anaty izay ditsoka
    Kosehin’ny hiran’ny manga
    Ny vetson’ny sioka miritsoka
    No toy ny mameno ny banga

    Mijery izy fa tsy mahita
    Izay tiany ho fantarina tsy hay
    Raha tsy ny sioka no hita
    Tsy nety nipody ny sainy

    Lahy o!
    Siokan’ny manina
    Roy e!
    Siokan’ny manina

    EN COURS DE CONSTRUCTION


    votre commentaire


    Suivre le flux RSS des articles de cette rubrique
    Suivre le flux RSS des commentaires de cette rubrique