Haut de page
17 Mai 2012, St Pascal
Rhythm and blues
Accueil » MADAGASCAR » Wilson RAMAROSON
  Articles de cette rubrique :
 

EN COURS DE CONSTRUCTION

SIOKA NY MANINA

Lahy o!
Siokan’ny manina
Roy e!
Siokan’ny manina

Irery ami-toera-mangina
Tsy misy izay mba iresahana
Ny hiran’ny fo no tsindriany
Sioka no feo iarahany

Tsy fantany akory izay mety
Mahatonga ny sioka tsy fidiny
Fa tampoka teo, teo vetivety
Dia lasa tsy tana tsy fidiny

Lahy o!
Siokan’ny manina
Roy e!
Siokan’ny manina

Angamba izay mahatsikaritra
Mihevitra azy ho adala
Kanefa diniho maharitra
Fa manina ny olo-malala

Ny hira niaraha-nikalo
No nahatonga azy hahatsiahy
Ka taitra ny olo, ny olo-nandalo
Nahita azy very fanahy

Lahy o!
Siokan’ny manina
Roy e!
Siokan’ny manina

Ny fony ao anaty izay ditsoka
Kosehin’ny hiran’ny manga
Ny vetson’ny sioka miritsoka
No toy ny mameno ny banga

Mijery izy fa tsy mahita
Izay tiany ho fantarina tsy hay
Raha tsy ny sioka no hita
Tsy nety nipody ny sainy

Lahy o!
Siokan’ny manina
Roy e!
Siokan’ny manina

EN COURS DE CONSTRUCTION

Tags associés : Sioka, manina

J'kaz !
0
Jeudi 21 Octobre 2010Poster un commentaire
Rubriques
Horloge
Tv streaming
  • Streaming TV
Liens partenaires
  • Aucun lien actuellement