• Ravola

    --♫*`¯`*♫ `)♫(`.♫*`¯`*♫)888888888888888888888888888888888888888888888(♫*`¯`*♫ `)♫(`.♫*`¯`*♫--
    (.♫`(`.♫.`). ♫)88888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888(.♫`(`.♫.`). ♫)
    ("*")8888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888("*")
    88888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888

    Titre de la chanson

    N Y   V O L A

    L'ARGENT

    Artiste

    Henri RATSIMBAZAFY

    NY VOLA

    Lyrics
    --♫*`¯`*♫`). (`.♫*`¯`*♫--
    (.♫`(`.♫.`). ♫)
    ("*")

    Ny maha olona dia ny fanahy,
    Ny vola kosa hono io no maha-rangahy,
    Ireo vazaha milaza, tsy miambatrambatra
    Fa ny vola hono â ! tsy mahasambatra

    Misy kosa anefa hafa fisainana,
    Milaza fa ny vola hozatry ny fiainana,
    Dia ezahany andro aman'alina
    Ny hanam-bola be, vola aman'alina

    REFRAIN
    --♫*`¯`*♫`). (`.♫*`¯`*♫--
    (.♫`(`.♫.`). ♫)
    ("*")

    Vola ô
    Hatraiza moa no fetra ny herinao ?

    Vola ô
    Ny olona rehetra manaiky anao, manaiky anao

    Ny fitiavana aza, azo mora hono
    Raha ny vola no ataonao jono
    Izay voany manao be rapaka
    Ka voasaringotra izay vao tsy afaka

    Nony ela anefa lany ihany ny vola,
    Injay koa ilay fitia fa zary tola,
    Irony tositosy mivadika ho latsa
    Tsy misy intsony mantsy, lany teo ny patsa

    REFRAIN
    --♫*`¯`*♫`). (`.♫*`¯`*♫--
    (.♫`(`.♫.`). ♫)
    ("*")

    Vola ô
    Hatraiza moa no fetra ny herinao ?

    Vola ô
    Ny olona rehetra manaiky anao, manaiky anao

    Hariva ny andro tonga ny aizina
    Rafahafatesana eo, tsy azo laizina
    Tambazam-bola be, tolorana harena,
    Rafahafatesana...â ! mihenahena !

    Lambamena fito, lambamena sisa
    Ary voninkazo maro tsy hita isa
    No manaraka hatrany am-pasana
    Fa ny vola be momba ny lasana

    REFRAIN
    --♫*`¯`*♫`). (`.♫*`¯`*♫--
    (.♫`(`.♫.`). ♫)
    ("*")

    Vola ô
    Hay va re misy fetra ny herinao !

    Vola ô
    Ny olona rehetra

    manaiky anao,

    manondro anao,

    andevonao (ter and fade)

    ☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺☺

    "L'argent ne représente qu'une nouvelle forme d'esclavage impersonnel à la place de l'ancien esclavage personnel." Léon Tolstoï, L'argent

    88888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888
    ("*")8888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888("*")
    (.♫`(`.♫.`). ♫)88888888888888888888888888888888888888888888888888888888888888(.♫`(`.♫.`). ♫)
    --♫*`¯`*♫ `)♫(`.♫*`¯`*♫)888888888888888888888888888888888888888888888(♫*`¯`*♫ `)♫(`.♫*`¯`*♫--


  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :