• EN CONSTRUCTION

    Na tsy misokatra aza ny vavanao miteny
    Ny masonao milaza, ny foko no mandre
    Raha vao mijery anao dia tsapako avy hatrany
    Ny ao anatinao na tsiky na tomany

    Raha tazako ianao izay mibanjina ahy
    Ilay fijerinao baliaka,sahisahy
    Dia azoko itokiana fa tsiky sy homehy
    Ary teny fifaliana no mameno ny tarehy

    Raha sendra ny ankaso
    Fa ny eto an-tany moa
    Raha toa manganohano ilay dobo manga roa
    Akomboko ny molotro, fa maizina ny tany
    ny sento no atolotro ho setriny tomany

    Tadidio ilay ora vao nahitako
    Ilay endrikao tanora, izay soa sy bakobako
    Ny masonao mitopy malefaka fijery
    Mitsiky, miangoty fitiavana mahery

    Na tsy misokatra aza ny vavanao miteny
    Ny masonao no milaza, ny foko no mandre
    Raha vao mijery anao dia tsapako avy hatrany
    Ny ao anatinao na tsiky na tomany

    Ny masonao ihany, milaza ny tsy hita
    Ny teny tsy hita lany, ireo hafatra miampita
    Ireo no ahitako raha mbola misy ny fitia
    Ary mbola hahalalako
    Fa vita ny tety

    Na tsy misokatra aza ny vavanao miteny
    Ny masonao milaza, ny foko no mandre
    Raha vao mijery anao dia tsapako avy hatrany
    Ny ao anatinao na tsiky na tomany
    Ny ao anatinao na tsiky na tomany

    en construction


    votre commentaire


    Suivre le flux RSS des articles de cette rubrique
    Suivre le flux RSS des commentaires de cette rubrique